Friday, January 20, 2012

Fiverenan-dRavalomanana : Miomankomana ny « gros bras » sy « kung-fu »

Samy efa mihetsiketsika avokoa ny rehetra manoloana ny fanambaran’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ny amin’ny fiverenany amin’ny sabotsy ho avy izao. Ny « gros bras » na ny bokonozatra izay fantatra dia nilaza fa tsy hitazam-potsiny izany. Efa misy ny drafitra napetrak’ireo saingy na izany aza dia tsy mbola nanome ny heviny mazava ireo sendra anay na manaiky na tsia io fiverenana io. Ny heverina dia mizara izy ireo. Ny hilazana izany dia ny fahitana ny tranga efa nisy teo aloha. Raha tsy hiteny afa-tsy ny tamin’ny 19 febroary 2011 izay efa marobe ny bokonozatra tonga nitsena teny Ivato raha vao hoe hiverina i Ravalomanana Marc. Izy ireo anefa dia samy nanana ny fironany fa tsy hoe nitovy tadin-dokanga akory. Momba ny « kung-fu » indray dia mazava be ny fijerin’ireo. Rehefa tonga nitsena an’i « Deba » izy ireo tamin’ny novambra lasa teo dia mazava ho azy fa hitsena an-dRavalomanana Marc ihany koa. Izany hoe hiaro an’io farany ny kung-fu raha jerena amin’ny lojikan-javatra. Ny AV7 indray dia nanambara mazava fa « maso solon’ny maso » no hitranga eto raha toa ka tena ho tonga tokoa ny filoha teo aloha izay hatreto, ho an’ity fikambanana ity, dia tompon’andraikitra tamin’ny raharaha 7 febroary. Ho avy eny Ivato ny mpitandro ny filaminana, ho avy eny koa ny bokonozatra, ny mpanao kung-fu, ny mety ho mpiaro ny AV7. Ahiana hafana eny Ivato amin’ny sabotsy…

No comments: