Wednesday, January 25, 2012

Ambatolampy - Tranga hafahafa : Zaza vao teraka tonga dia niteny

Ny tapatapaky ny volana novambra 2011 lasa iny dia nisy tranga nahagaga indray tao amin’ny fokoNtany Andavabato , ao Ambatolampy. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nisy zaza vao teraka sampona tao amin’io toerana io. « Lava volo, tonga dia nisy nify ary toy ny endrik’olona efa lehibe ny lohan’ilay zazalahy kely », raha ny loharanom-baovao ihany. Nilaza avy hatrany ny renin’ilay zaza ny tsy tokony hitazonana ilay zaza ary teo no nitranga ny tsy nampoizina, raha ny vaovao voaray, fa niteny avy hatrany ilay zaza ny hoe hisy hafatra apetrany fa tsy tokony hovonoina aloha izy. Nambaran’ilay zaza fa ity taona 2012 ity no hiafaran’ny fiainan’izao tontolo izao ary rehefa avy niteny izany izy dia tapitra ny ainay, raha ny nambaran’ny loharanom-baovao ihany.
Fa ankoatra an’izay dia nisy traga hafahafa ihany koa tany Ambodivona Ambatolampy ihany. Havandra tokana no nilatsaka teo ampovoan-dalana ary boribory toy ireny baolina ireny.Vao latsaka ilay havandra tokana dia voalaza fa naka endrika toy ny olona ireny ary dia niezaka nanatona nijery sy nitangorona ny olona. Rehefa tafavory ireo liana tamin’ilay havandra dia nahagaga fa nihalevona tsikelikely ilay izay ary tsy namela faritra akory fa nanjavona tanteraka. Samy nanana ny fahitany sy ny filazany ilay tranga ny tsirairay raha ny loharanom-baovao avy any an-toerana ihany fa ny maro amin’ireny dia ny hoe « ho sarotra ity taona 2012 ity.”

No comments: