Thursday, December 29, 2011

Olam-pitiavana - Vehivavy telo indray namono tena

Vendredi 30 décembre 2011

Vehivavy miisa telo no indray voatery nentina teny amin’ny hopitaly, omaly. Voalaza, fa samy namono tena avokoa izy ireo ary resa-pitiavana daholo no nahatonga izany.
Ny iray amin ’izy ireo, dia tovovavy 19 taona izay bevohoka telo volana, kanefa izao namono tena izao. Vehivavy miisa telo be izao no indray namono tena, noho ny olam-pitiavana nihatra tamin’ izy ireo. Ny voalohany, dia vehivavy iray 19 taona, izay namono tena tamin’ ny alalan’ ny fandrapahana fanafody famonoana parasy. Bevohoka telo volana anefa izy amin’izao fotoana izao. Araka ny fanazavan’ ny fianakaviany, manana olon-tiana ity tovovavy ity. Mifanaraka tsara amin’ ilay lehilahy miaraka aminy ihany izy ary amin’ny 5 janoary 2012 ho avy izao no kasain’izy ireo fa hanaovana ny raharahany. Misy tsy fifanarahana anefa amin’ity vehivavy ity sy ny renin’ilay tovolahy, araka ny fanazavana azo. Ankoatra ny teny maharary ataon’ io ramatoa io aminy, dia voalaza fa mahazo latsa sy fanakianana hatrany ny tenany. Nisy ny fifamaliana teo amin’izy mianaka, nialoha izao namo-noany tena izao. Izay antony izay no tsy zakany, ka omaly tamin’ny 10 ora sy sasany maraina, dia nandrapaka ilay fanafody famonoana biby kely izy. Tany Ambatolampy moa no nisehoan’ izany. Taorian’ny fihinanany io poizina io, dia nalemy ny tenany manontolo. Fanina ary saika torana tsy nahatsiaro tena mihitsy. Amin’ izao fotoana izao, dia mbola hatahorana be ihany ny toe-pahasalamany.
Tratra teo ambony fandriana
Ny faharoa kosa indray, dia tovovavy iray vao 17 taona. Afakomaly tamin’ny 9 ora alina izy no namono tena tao an-tranony, teny 67 ha. Voalaza, fa manambady lehilahy iray manodidina ny 31 taona izy. Efa nisara- panambadiana intelo io lehilahy io ary ny vadiny voalohany, dia efa niterahany zaza efatra. Tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo iny, dia niala tao an-tranon’izy ireo ilay rangahy vadiny. Fantany anefa, fa nandeha tany amin’ ilay vadiny voalohany ity raim-pianakaviana ity. Tsy tantiny ny nieritreritra an’ izany, ka nanapa - kevitra ny hamono tena izy. Fanafody maro kosa no indray narapany. Izy efa nalemy tsy nahazaka ny vatany no hitan’ny fianakaviany. Nikoropaka namonjy azy ireo olona nahita ny fahavoazany taorian’izay. Ary ny farany kosa, dia tovovavy 20 taona, izay namono tena teny Ilanivato. Ny azy indray, dia tratrany niara - natory tamina vehivavy hafa ny lehilahy miaraka aminy. Io vehivavy io indray anefa no voalaza fa nanao vavabe taminy. Tsy zakany izany, ka nahatonga azy namono tena. Nentina teny amin’ny hopitaly avokoa izy telo vavy ireo ary manaraka fitsaboana eny an-toerana izy ireo amin’ izao fotoana izao.

No comments: