Sunday, December 18, 2011

Misisika ny tsy maintsy hody i Marc Ravalomanana



Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy amin-dRavalomanana mahakasika an’ilay “notam” manakana azy tsy hody navoakan’ny Fiadidiana ny tetezamita tamin’ny alakamisy. Dia nilaza ny tsy matahotra an’izany ity Filoha teo aloha ity ary misisika mafy ny hiverina an-tanindrazana. “Tsy misy lalàna mihitsy ao amin’ny lalam-panorenana, na amin’ny lalàna malagasy mandrara ny teratany malagasy tsy hiditra eto Madagasikara. Vonona aho ny handray ny risika amin’ny fodiako aty Madagasikara. Mampahafantatra ny rehetra aho fa na inona na inona fanakantsakanana hatao ahy dia ho avy aho” hoy izy nandritra ny fidirany an-telafaonina mivantana tamin’ireo “zanany” tetsy amin’ny Magoro Behoririka tamin’ny sabotsy. Efa ela tokoa no nandrenesana an’izay fa tsy mbola tanteraka ihany. Dia nanamarika Ravalo fa efa nifanome fotoana lava isika ka hody aho, tsy haveriko indray. “Ny fahatongavako any dia hitondra fandaminana fa tsy hitondra fanakorontanana sanatrian’ny vava” hoy izy.

Mivoaka
Mahalala Ravalo fa matahotra ny fahatongavany ireo mpitondra sasany ka na dia tsy mbola nilaza ny daty sy fotoana hahatongavany aza izy dia efa nanentana an’ireo mpomba azy hitsena eny Ivato. “Na inona na inona fanakantsakanana ataon’ireo mpitondra tsy ara-dalana izay vitsy sy kely dia kely ireo sy matahotra dia matahotra ireo, dia ho avy aho ka tongava ianareo mitsena ahy” hoy izy. Tsy nanome baiko mivantana ny hialan’ireo olony ao anaty fitondrana Ravalomanana saingy nilaza fotsiny izy fa “misy ireo olona niditra ao anatin’ny governemanta ao anatin’izao tetezamita izao, misy ireo niditra ao anatin’ny CT na CST. Efa nilaza aho tamin’ny voalohany fa hainareo ny miditra dia tokony ho hainareo koa ny mivoaka.Tsy mila resaka lava io fa milaza amin-dry zareo aho hoe rehefa tsy hain-dry zareo ny mandamina azy am-pilaminana dia miala”. Napetrany amin’ireo mpitarika andrimpanjakana aza ny hafatra. “ Ho anareo izay mpitarika any amin’ireo andrimpanjakana dia ampitao any fa ny zavatra tanterahina dia ny tondrozotra izay nifanarahana ihany” hoy i “Dada”. Marihina fa nidina tetsy an-kianja koa ny Me Hanitra sy parlemantera maro tamin’ny sabotsy.

No comments: