Wednesday, December 14, 2011

Fisolokiana avo lenta - Fiara « Peugeot 205 » iray tsy hita popoka

Fiara « Peugeot 205 » iray, niaraka tamin’ny vola an-tapitrisany no lasibatry ny olona roa teny Ambohijanahary.
Ny 20 novambra lasa teo no nakan’ireo mpisoloky an’ity fiara ity, ka hatramin’izao dia mbola tsy hita izy ireo. Efa mandeha kosa ny fikarohana ataon’ny mpitandro filaminana ankehitriny.

Fisolokiana avo lenta ! Izay no azo ilazana ny zava-niseho teny amin’ iny faritra Ambohijanahary iny. Tokantrano iray no lasibatra tamin’ izany. Raha ny voalaza, olona miisa roa izay nitonona fa mpivady no nikotrika izany asa fisolokiana izany. Fiara marika « Peugeot 205 » iray kosa no lasan’ izy ireo, ka tsy hita izay nanjavonany. Ankoatra ity fiara ity, dia lasibatr’ ireto mpisoloky ireto ihany koa ny vola iray hetsy sy iray tapitrisa Ariary. Raha ny fantatra, ny 20 novambra lasa teo no tonga tao amin’ ilay tokantrano eny an-toerana izy ireo. Nilaza izy ireo, fa mila fiara hofaina hoentina mankany Fianarantsoa. Rehefa natao ny fifanarahana, dia raikitra fa omena azy ireo ilay fiara. Taorian’izay anefa, tsy nahenoana feo intsony izy mivady, sady tsy nampita vaovao mahakasika ilay fiara ihany koa. Nitondra ny raharaha teny anivon’ny mpitandro filaminana taorian’izay ireo fianakaviana lasibatra. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto mpisoloky ireto amin’ izao fotoana izao. Hatramin’ izao anefa, mbola tsy nahitam - bokany izany. Tsy mbola hita popoka ihany koa ilay fiara. « Tsy nanampo azy ireo mihitsy hoe mpisoloky izahay. Izy mivady mihitsy mantsy no niandraikitra ny fifanarahana tamin’ny fanofana ilay fiara », hoy ny lehilahy iray havan’ ireo fianakaviana lasibatra. Nambarany, fa « nazava tsara ny fifanarahana, saingy nivadika ry zareo ». Nohazavainy ihany koa, fa mbola tsara io fiara tsy hita popoka io ary miloko mena ilay izy.

No comments: