Friday, December 09, 2011

Fihetsehana teo anoloan’ny Fonjan’i Toliara Nifamaly tifitra ny mpiandry fonja sy ireo polisy

Nitaky ny famoahana ny namany iray notanana ao am-ponja ireo polisy ao Toliara.
Nafampana indray tao Toliara, omaly, satria nanatanteraka fitokonana teo anoloan’ny fonja ny polisy tany an-toerana. Araka ny vaovao voaray, nisy polisy iray miasa ao amin’ny « Commissariat spécial port » namoahan’ny Fitsarana didy fampisamborana fa voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina noho ny fahaverezan’ny basiny. Tsy faly noho izany ireo namany ka nitokona nitaky ny famoahana io namany io. Vao maraina dia efa niandry teo anoloan’ny fonja ireo polisy marobe nitam-piadiana ary niatrana am-bava basy koa ny mpiandry fonja tao anatiny. Teo anatrehan’izany, nanapoaka basy nanao tifi-danitra ny mpiandry fonja ka namaly ihany koa ny polisy taty ivelany. Nirefodrefotra tokoa ny basy. Nisy mihitsy ny fifanjevoana teo anatrehan’izany, raha ny fanazavana azo hatrany, satria voalaza fa nisy polisy iray naratra nodarohan’ny mpiandry fonja. Tonga dia nosamborin’ireo polisy io mpiandry fonja io ary nentiny tany amin’ny kaomisaria nofotorana. Nisy anefa ny fifandaminana ka nalefa omaly tolakandro ihany izy io.

Nalaina an-keriny

Loharanom-baovao hafa no nahalalana fa nalain’ireo polisy an-keriny ny Filohan’ny Fitsarana Tampony, Atoa Rehavana, ary nataony tao anatin’ny « malle arrière » tamin’ny fiara ho fanoherana ilay didy. Voalaza mihitsy aza moa fa nisy ny fikasihan-tanana azy tamin’izany. Izany no antony nahatonga ny fifampitifirana tamin’ity raharaha ity. Eo anatrehan’izany tranga izany, nilaza ny tao amin’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara fa tsy misy raharaham-pitsarana mandeha eran’i Madagasikara ny alatsinainy sy talata ho avy izao mba ho fanehoana firaisankina eo amin’ny mpitsara.

Nanao fanohanana

Raha ny fanazavana azo ihany mantsy, efa tamin’ny taona 2008 no nahavery ny basin’ilay polisy io. Herintaona taorianan’io - izany hoe ny taona 2009 - nisy jiolahy iray maty voatifitry ny polisy tany an-toerana ka hita tany amin’io ilay basy very. Nisy ihany koa olona voasambotra naman’ilay jiolahy ka tao anatin’izany ny olona voalaza fa nivarotra ny basy. Ireo rehetra ireo tsy nisy nanondro ilay polisy very basy io tamin’ny famotorana natao. Na izany aza, nisy ihany ny fangataham-panazavana natao tamin’ilay polisy ny amin’ny nahavery ny basiny, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny taona 2010 indray, nisy didy fampisamborana navoakan’ny Fitsarana ho an’ilay polisy, izay milaza fa voaheloka higadra dimy taona an-tranomaizina izy. Gaga ny rehetra teo anatrehan’izany ka nanao fanohanana tany amin’ny Fitsarana, kanjo rehefa nivaly izany dia mbola nohamafisina ihany ny didy teo aloha.

Tsy hanaiky

Manoloana izany, nilaza ny tsy hanaiky mihitsy ny amin’izao zavatra mihatra amin’ity polisy ity izao ireo namany ka mangataka ny famoahana azy tsy misy hataka andro. Voalaza anefa fa omaly ihany dia efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ao Toliara ka amin’ny alatsinainy izao no voatondro fa hamoahana ilay polisy. Ireo namany kosa etsy andaniny mbola mametraka fa raha tsy mivoaka ilay polisy dia hihamafimafy kokoa ny fitakiana hataony. Ilay basy very izay fototry ny olana mantsy efa hita, hoy hatrany ny fanazavana, kanefa ilay polisy mbola nomelohin’ny Fitsaràna ihany.

No comments: