Friday, September 24, 2010

Résultat du BAC; deux élèves morts de joie ?

Tsy fantatra marina na zavatra hafa mihitsy no nahazo ireto tanora roa lahy izay avy nanao ny fanadinana bakalorea. Rehefa nivoaka tokoa ny valim-panadinana dia zava-doza no niseho rehefa afaka soamantsara izy ireo.Toerana roa samihafa no nisehoany, ny iray tamin'ny ilany atsinanan'Antsirabe ary ny iray amin'iny tapany andrefana mihazo an'i Betafo iny. Ny voalohany, mpianatra tamin'ny fianarana ankapobeny ary afaka soamantsara. Nitomany ity tovolahy noho ny hafaliany ary raha ny vaovao voaray dia nody avy hatrany.Teny akaikin'ny fonenany dia toa nitsako ahana izany izy ary dia izay fa namoy ny ainy. Ny faharoa indray dia mpianatra amin'ny sampana teknika ary afaka ihany koa.Telolahy izy ireo no niaraka ary toa mitovitovy tamin'ny nahazo ilay tovolahy voalaza teo aloha.Nentin'ny hafaliana be loatra ihany koa izy ary dia niafara tamin'ny fijanonan'ny fony tampoka. Ilaina ihany ny tokony hifehezana ny fihetseham-po na amin'ny ankafaliana izany na amin'ny lafiny fahasosorana, nefa ny tampoka tsy maha-lehilahy.

No comments: