Friday, November 18, 2011

Profesora ZAfy Albert « Tadiavin’Ing. Andry Rajoelina tsy havotsotra ireo minisitera misy raharaha maizimaizina»



Tsy mbola nijanona tamin’izay efa voalazan’i Mamy Rakotoarivelo afakomaly ny antony tsy nidiran’ny mpanohitra tamin’ilay governemanta fa mbola nitohy. Ny Profesora Zafy Albert mihitsy omaly tetsy amin’ny trano fonenany etsy Ivandry no nirotsaka nanao am-pamoaka ny tena zava-misy marina momba ny fitsinjarana ny minisitera rehefa avy nihaona tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky hatramin’ny alakamisy maraina be. Nahitsy ny filazan’ity Filoha teo aloha tamin’io valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety io fa minisitera misy raharaha maloto ireo tsy tian’i Andry Rajoelina havotsotra ho an’ny mpanohitra ireo. Ireo anefa no tena nangatahin’ny ankolafy Zafy Albert ny fitantanana azy. Raha ny fanazavana hatrany dia fetsy ny filoha ankehitriny satria dia nozarainy anankiroa ireo minisitera ireo ka ilay misy raharaha maloto dia notazominy ihany fa izay tsy misy kosa no natolony ho an’i Zafy Albert. Tahaka izany ny firafitry ny governemanta saika navoakan’Ambohitsorohitra teny Iavoloha tamin’ny alakamisy. « Nozarainy roa ny minisitera misy fangalarana be. Notazominy ohatra ny minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany fa ny Angovo no nomeny ho anay. Nozarainy roa koa ny minisiteran’ny teti-bola sy ny fitantanam-bola ka ny teti-bola dia nofihinany fa ny iray navelany. Tsy azo ekena anefa ny mbola hitazomany an’ireo ary tsy hiditra amin’izay governemanta eo mihitsy izahay» hoy izy.

Fandrahonana

Dia milaza ny handray fepetra mahakasika an’izany i ZAfy Albert. « Raha hiziriziry amin’izany i Andry Rajoelina dia hampanao fanadihadiana momba ireo minisitera ireo aho ary amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy no hanaovako izany mba hivoahan’ny raharaha maloto rehetra » hoy izy.
Ankoatra an’izay dia nambaran’ing. Prof fa « misy amin’ireo kandida natolotra tamin’ny minisitera hafa no misy manadrahona sahady tahaka izay mitranga amin’ny amin’ny kandida natolotra ho amin’ny minisiteran’ny serasera sy ny minisiteran’ny Atitany. ». Nolazain’ny profesora ZAfy Albert ihany koa fa misy minisitra teo aloha koa no tsy tian’ny sehatra iraisam-pirenena hiverina ao amin’ny governemanta intsony. « Raha haverina ireo olona ireo dia hikatso ny fankatoavana iraisam-pirenena kanefa dia teren’i Andry Rajoelina fotsiny i Omer Beriziky hamerina azy ireo » hoy izy.
Raha mbola izay no mitranga dia milaza ny tsy hiditra amin’izay governemanta ireto mpanohitra ireto.

No comments: