Thursday, November 10, 2011

Ambatondrazaka : Ankizilahy 12 taona nentin’ny lolo dia nampatoriany tany anaty fasana

Nahavariana ny nitantaran’ilay ankizilahy ny zavatra nahazo azy

Tamin’ny faha-2 novambra lasa teo no niseho ity tantara hafa dia hafa ity tany Ambatondrazaka. Ankizilahy kely monina ao Ambodimanga afovoan-tanana no nilaza fa nentin-javatra miendrika olona. Roa andro izy no tsy hita nefa mba tafaverina soamantsara tany amin’ny ray aman-dreniny ihany.

Herinandro maromaro no niandohan’ny tantara. Nahita CD iray teny an-tokontanim- pianarany ity ankizy ity. Noraisiny izany. Raha mbola variana teo anefa izy, nisy ankizilahy iray hafa mitovitovy taona aminy nandalo ary tonga dia nandrobaka ilay CD teny an-tanany. Tsy nahavita na inona na inona ny anao lahy. Afaka 15 andro, niandry ny fidirana tsy lavitra ny sekoly izy. Iny hitany ilay naka ny CD teny an-tanany. Mbola teny ihany koa io zavatra io. Avy hatrany dia noenjehiny. Nifanaraka teny izy roalahy. Ny marainan’ny faha-2 novambra izany no niseho. Nanaraka lala-masinina izy ireo. Niditra kirihitra ala avy eo. Araka ny fitantarany, efa ho tany amin’ny 3 ora hariva vao azony ilay CD nalatsak’ilay noenjehina. Noraisiny ilay izy. Tampoka teo anefa, tsy hitany intsony ilay ankizilahy noenjehiny fa ramatoa iray nitrotro zaza no nanoloana azy teo. Io indray no niteny taminy hoe noana ve ialahy, mandrosoa ary mihinam-bary. Dia niditra hotely ary norosoana vary sy laoka, hen’omby. Vao lany anefa ny sakafo, tsy hita koa ilay vehivavy ary tsy nisy trano nanodidina teo. Gagagaga ny anao lahy satria dia ala kininina no nanodidina azy teo fa tsy misy trano. Niezaka ny handeha hamonjy fodiana izy. Maizina ihany anefa ny andro fa tsy tafavoaka ilay zazalahy. Tampoka teo indray anefa, hoy ihany izy, nisy rafotsy be nanoloana azy. Io indray no nolazainy fa nanome sakafo azy. Trondro ny laoka. Rehefa lany izany dia niteny taminy ilay rafotsy hoe matoria fa hariva ny andro. Maizina dia maizina tamin’izay. Niditra trano izy, nohidiny tsara ny varavarana. Tamin’ny alina, nisy nikasa ny namoha nefa tsy tafiditra, araka ny fitantaran’ilay ankizilahy ihany. Tokony ho tany amin’ny 4 ora maraina tany, efa nazava ny andro. Nanandrana nivoaka izy nefa tsy nety nivoha ilay varavarana. Nodakany izany ka nivoha ihany. Akory ny hagagany rehefa tany ivelany fa fasana marobe no hitany. Raiki-tahotra izy ka lasa nandeha. Efa elaela vao nahita lala-masinina. Nanaraka an’iny izy ary tonga tao Manakambahiny. Efa hariva ny andro. Nanakana taxi-brousse izy ary niresaka tamin’ireo mpandeha fa zaza very. Nihoraka ny rehetra. Nentina tany Ambatondrazaka. Ireo havany efa nanao fikarohana, nampilaza ny mpitandro filaminana. Rehefa hita izy ary mbola teny aminy ilay CD. Nandramana nalefa fa tsy nisy na inona na inona tao anatiny. Nanatona mpimasy ry zareo. Nandramana nalefa indray ilay CD ary dia nisy « jeux » tao anatiny. Tamin’ny faha-8 novambra vao tena tonga saina izy ary afaka niresaka tamin’ny mpanao gazety. Amin’ny alina anefa, mbola manonofy ratsy foana izy mahita ilay ankizy naka ny CD niteny taminy hoe « alainay eo ialahy ».

No comments: