Thursday, May 06, 2010

Milamina ny tanana ry Tompo Ô!!!

Tamin’ny alarobia hariva tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, nisy sahotaka niseho teny amin’ny faritr’Ampitatafika. Nisy taxi-be nanala olona tamin’ilay fiakarana eo ampitan’ny tetezana iny. Avy ato aoriana, nisy fiara iray voabahana. Raikitra teo ny fifamaliana fa toa hoe namaly ilay « receveur ». Tsy naharitra ilay tao anaty fiara voabahana ka nivoaka ary dia nikasi-tanana io mpandray vola io. Ny loharanom-baovao avy eny an-toerana ihany no nahalalana fa tsy vitan’ny nidaroka ihany io olona avy ao aoriana io fa mbola namoaka basy ihany koa. Rehefa moa izany, dia nandeha ilay fiara mpitatitra. Narahin’ilay fiara avy aty aoriana ilay izy. Rehefa lasa lavidavitra anefa, indreny nisy fiara 4X4 roa nanakana ilay taxi-be. Raha vao nijanona ity farany ity dia nisy olona avy ao anatin’ireo fiara roa nidaroka fanindroany an’ilay mpandray vola. Nanomboka nitangorona ny olona tamin’izay. Naratra ilay « receveur » ary dia nolazain’ireo nahita fa nampidirin’ireo olona namely azy tao anatin’ny fiarany tao anaty « malle » ary nentiny nankany amina trano iray izay voalaza fa an’olona tompona fivarotana lehibe iray aty an-drenivohitra. Tsy nitazam-potsiny kosa anefa ny mponina fa lasa nanaraka teny akaiky teny ary nitangorona sady nitaky ny hamoahana ilay mpandray volan’ny taxi-be. Zavatra hafa anefa no niseho satria dia nanapoaka basy indroa ireo avy ao amin’ilay trano. Natahotra ny mponina ary dia samy lasa niparitaka avokoa. Toa zavatra tsy dia misy dikany akory izy ity nefa dia izao nandratrana olona sy nanapoahana basy izao.

No comments: