Friday, July 06, 2012

Mpandeha taxi tratran’ny sinto-mahery


Roalahy no voaendaka tao anaty fiara nandehanany teny Ankazomanga afakomaly tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Araka ny fanazavana azo dia nandeha fiara taxi izy roalahy ireo tamin’io. Nivoha ny varavaram-pitaratr’ilay fiara tamin’io,  efa narahin’ireo mpanendaka maso tsara anefa izy ireo ary nitady irika hanendahana azy roalahy tao anaty fiara ry zalahy. Hitany nitondra sakaosy rahateo ireo ka iny no tena nokendreny halaina. Iny tsy nanampo na inona na inona iny anefa ireo tao anaty fiara no nosintonin’ny iray tamin’ireo mpanendaka avy any ivelany ilay sakaosy ka azony ary lasa nirifatra nitsoaka avy hatrany izy. Nivoaka ny fiara avy hatrany koa izy roalahy ary nanenjika ireo mpanendaka saingy nihazo elakelan-trano ireo olon-dratsy ireo ka tsy tratra. Araka ny fantatra dia fakan-tsary sy antontan-taratasy mombana môtô no tao anatin’ilay sakaosy.

No comments: