Tuesday, July 24, 2012

Fihazana and-Remenabila : Nopotehin’ny miaramila ny tanàna, hoy ny solotenan’ny vahoaka





Mardi, 24 Juillet 2012
« Jiolahy iray no henjehina, nefa tanàna maro no potika. Soa tsy mifanaraka amin’asa tokony atao izany ».
Nanao valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety, omaly teny Akorondrano, ny solon-tenan’ny mponina avy any amin’ny faritra mafana sy mitàna ny sain’ny mpanara-baovao, mikasika ny fihazàna ilay dahalo malaza antsoina hoe Remenabila. Hita teo ny CST avy any Vangaindrano Robson, ny CST Malazamanana Jean Nöel avy any Befotaka ary ny CT Jean Nöel avy any Midongy. Niteny tamin’ny anaran’ny mponina any amin’ny faritra midadasika hihazan’ny mpitandro ny filaminana an’i Remenabila izy ireo. Samy nandray fitenenana avokoa izy telo mianaka ireo, ary samy nanapotsipotsitra ny zavatra tsy nety nataon’ny miaramila tany an-toerana nandritra ny hetsika. Nitondra antotan’isa maro ry zareo tamin’izany. Tsy nohadinoiny ny nandrangaranga fa tena dahalo tokoa i Remenabila. Tsy mety amin’ny mponina kosa anefa ny fomba nentina nisamborana an’io lehilahy io. Santionany vitsy no nasehon’izy ireo. Ao anatin’izany ny fandoroana tanàna, fandrobana trano, fitifirana olona. Mikasika ny fandorana tanàna, nilaza mazava ireo solon-tenan’ny mponina fa tao Antokobetelo « trano miisa 23 no may niampy ny trano sekoly, novakiana ny trano hafa ». Io mantsy no voalaza fa fonenan’i Remenabila ary ho tonga ao izy ». Amin’ireto mpitondra tenin’ny vahoaka ireto, maro ny habibiana vitan’ny mpitandro ny filaminana tany. «  Tao Ankazolahy, trano 362 no may miampy ireo toerana nasiana ny vary. Tao Manakana trano iray no nodorana, trano 60 norobaina. Tao Votsimbe, nandositra ny mpoinina tao anatrehan’izany zavatra izany, lahy antitra iray no sahy nijanona nefa dia voatifitra ary maty », hoy ihany ireo niresaka tamin’ny mpanao gazety. Tsy matahotra ny fonja Remenabila satria efa imbetsaka izy no nigadra, hoy ihany ireo mpitondra teny. Imbetsaka ihany koa no navotsotra tsy fantatra hoe nahoana izy. Maro ny olona nahita faisana taminy ary efa nisy fanangonan-tsonia ny tsy tokony hamoahana azy avy any am-ponja intsony. Tsy izany anefa no misy fa votsotra foana izy. Raha izany no dinihana, toa mbola ho ela ihany vao ho voasambotra ity dahalo ity. Maro ireo manafina azy noho ny zavatra maro vitany tany an-toerana. Santionany fotsiny ny fandraisana ireo solotenam-panjakna tany amin’ny toerana misy azy rehefa misy ny fampielean-kevitra amin’ny fifidianana. Tantara mitohy izy ity. Ankoatra ireo voatanisa ireo, eo ihany koa ny fanaovana ramatahora, avy amin’ny mpitandro ny filaminana ihany izany, hoy izy ireo. Manamafy anefa ireo solontenan’ny vahoaka fa tsy dahalo avokoa ny mponina any amin’iny faritra iny. Maloto anefa izy ireo noho ny afitsok’i Remenabila. Amin’izao fotoana izao, mangataka izy telo mianaka mirahalahy ireo mba hisian’ny famotorana akaiky mikasika izao zavatra nataon’ny mpitandro ny filaminana izao satria « sady mahamenatra no manambany ireo teratany avy amin’iny faritra iny ».
Raha niseraka manokana an’i Remenabila ry zareo dia nazava ny filazany azy. Tena dahalo io olona io. Anisan’ny mpanankarena any an-toerana kosa anefa ary mamonjy ny sahirana.

No comments: