Tuesday, May 29, 2007

Tovo J'hay :
Te mba hiara hikalo aminao aho
Hitondra hafanana vaovao aho
Izay ilay tsy ahafoizako anao
Ilay tena tiako any aminao

Rehefa mba mangingina aho indraindray
Ilay endrikao no indro eo
Mameno fo sy reko feo
Mibadabada tsy mety miato

Poopy :
Tsaroako foana ilay fanao ahy
Ireo teny mambabo fo
Tsy mba foiko tokoa
Miverimberina foana ao antsaiko tato ho ato

Lalie :
Lay resatsika omaly
Mamelovelo tsy mampatory ahy
Ka n'aiza n'aiza misy anao any ho any
Hijery anao aho na androany androany

Ref :
Raha toa ianao ka tia mozika
Dia mba hiara hikalo aminao aho
Raha toa manerika na mangatsika
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any
F'izay ilay tsy ahafoizako anao
Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiko any aminao

Malala :
Tsahivintsika kely aloha iray minitra
Ireo kely rehetra efa vita hatrizay
Natao tamin'ny fo niraisantsika
Mitondra ny fiainana ho avy izay mbola tsy hita

Nanie :
Tsikaritro fa tsy ianao ihany no tojo fisainana toy izany
Mieritreritra lasa vinany
Maniry tontolo vaovao tena tonga lafatra

Bodo :
Matotra angamba ny androany
Sanantria tsy hanihany
Lazaiko zaraiko aminao izay efa niainako hatrizay

Ref :
Raha toa ianao ka tia mozika
Dia mba hiara hikalo aminao aho
Raha toa manerika na mangatsika
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any
F'izay ilay tsy ahafoizako anao
Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiko any aminao

Sambatra ianao izay
Tony fo sy fanahy
Mahay mandray, mahay miara dia
Toy ny olona mifankatia

Ref :
Raha toa ianao ka tia mozika
Dia mba hiara hikalo aminao aho
Raha toa manerika na mangatsika
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any
F'izay ilay tsy ahafoizako anao
Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiko any aminao

Dia ho sambatra izaho sy ianao

No comments: