Monday, May 28, 2007

Mpamosavy mitaingina lambodia tarihana vorondolo 4




Izany tokoa ny hoe ela namoasaviana ka tratra ihany amin’ny farany. Nihevitra ity vehivavy iray fa tsy hisy ahita mihitsy ny zavatra ataony. Tamin’ny alahdy alina teo, tokony ho tamin’ny 1 ora maraina, tany Andamoty Ambodisatrana Sambava no nisy nahita izy. Lehilahy iray no nokendreny tamin’io. Rehefa manao ny asany ity vehivavy ity dia mitotorebika mandihy eo andohotapena’olona, izany hoe raha ny marina eny amin’ny toerana saropady amin’ny trano.

Toy izao hono no fanaony rehefa hivoaka hamaosavy izy. Amin’ny hariva dia miaraka misotro toaka aman’olona izy. Asa na izay olona kendreny io iharahany misotro io na olon-kafa. Rahefa alina ny andro dia antsoiny amin’izay ny lambodia nampitondrainy ny anarana hoe Kotrokotro. Io biby io no taingenany. Tsy io irery fa antsoiny koa ny vorondolo miisa efatra. Samy manana ny anarany izy ireo : Gramo, Roussi, Molki ary Gouli. Ireo vorona ireo no mitarika ny lalana.

Rehefa tonga eny amin’ilay olona kendreny izy dia manao ny asa famosaviana amin’izay. Toerana tsy dia lavitra loatra fiangonana no nokendreny. Tamin’io alina io, nisy nahita. Io no nijaiko azy. Raha vao nivoaka io olona io dia lasa nandositra ny lambo sy ny vorondolo. Ilay mpamosavy, nitapify teo amin’ny zoron-trano. Nitsoaka sifile ilay olona ka vetivety dia vory ny manodidina. Tsy dia nanahirana ny nisambotra ilay ramatoa. Ilay olona nokendreny amin’izany fotoana izany tsy mahatsiaro tena mihitsy. Efa nikotaba ny mponina vao taitra izy.

Nentina tany amin’ny biraon’ny fokontany ilay izy. Noho ny hatezeran’ny olona, sahirana tsy nisy ohatran’izany ireo mpiandraikitra niaro azy. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay mpamosavy. Farany, nantsoina ny polisy naka azy tao amin’ny birao.

Tamin’ny famotorana natao azy no nahalalana fa roa ny zanany. Tamin’izany koa no nilazany fa efa ho 25 taona izy no nivoaka alina ary 48 taona izy amin’izao fotoana izao. Mbola nampiany hoe, tsy manambady lambo izy fa mitaingina io biby io fotsiny rehefa mandeha mamosavy.

1 comment:

Ikalakely said...

Tsy tena azoko loatra ny asan'ny mpamosavy, sy ny fombafombany sy ny foto-pisainany sy ny mahatonga azy hamosavy.
Asa raha misy étude momba ireny efa vita na tsia, fa mety ahaliana ny maro raha misy manao fandalinàna momba azy.