Wednesday, May 09, 2007

Resaka miholakolaka

Mbola azo lazaina hoe ankizy, satria vao 15 taona monja ity zanaka senatera ity nefa dia izao tafiditra amina raharaha manahirana izao. Tsy hay intsony na nanolana na voaolana ity tovolahy kely ity. Raha ny fandehan’ny tantara dia nisy tovovavy niaraka taminy, izay zokiny raha ny taona (19 taona).

Nifanena teny an-dalana izy ireo, efa avy nisotrosotro ilay tovovavy sy ny namany tamin’io fotoana io. Natahotra ho bedy anefa razazavavy ka tsy nahasahy nody ary niangavy ilay zanaka senatera mba hampiantrano azy. Rehefa niaraka tao an-trano izy ireo dia nandeha tao ny safosafo sy ny orokoroka ary niafara tamin’ny firaisana ara-nofo izany.

Asa na bedy tany an-trano tany rakalakely rehefa nody fa nitory teny anivon’ny polisim-pirenena ny ray aman-dreniny fa hoe naolan’ilay zanaka senatera hono ny zanany vavy izay 19 taona.

Talanjona Ing. senatera manoloana izany toe-javatra izany, ary nametraka fitoriana ihany koa. Fitoriana ilay zazavavy ho nanolana. Miendrika fanalam-baraka sy fanararaotana ary firaisana tsikombakomba ihany koa izao raharaha izao. Satria tsy nisy ny taratasy avy any amin’ny dokotera izay manamarina fa voaolana marina ilay zazavavy. Izy rahateo tsy niantso vonjy na nitabataba fa olona mifankatia tsara izy roa ireto, raha ny fitantaran’ny vavolombelona, ka nahagaga indray ny fivadihan’ny raharaha.

Ilay tovovavy, izay araka ny fitorian’ny ray amandreniny indray, dia nomamoina aloha vao naolana. Nefa noho izy efa ampy taona (19 taona), dia efa tomponandraikitra amin’ny zavatra rehetra izay ataony izy. Ka tsy fantatra intsony izany izay nanolana sy voaolana amin’izy roa ireto. Ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana efa mandeha amin’izao fotoana izao ka ho hita eo ihany ny tohin’ny tantara.

No comments: