Monday, February 13, 2006

Sendra polisy gaigy ilay mpamily taxi be

Soafera-na taxi-be zotra 126 iray no nopetahan’ny pôlisy rojovy miraikitra amin’ny familiana, no mbola nasain’izy ireo nitondra fiara ihany, ny alatsinainy lasa teo teny Ankasina-67ha. Araka ny filazan’i “ Mamy ” izay tafaresaka taminay dia nosakanana izy teny Anosy ary nomena “Convocation” ho eny amin’ny paositry ny pôlisy.

Tsy nandà ny fiantsoana azy ity mpamily ary nifanaraka ny roa tonta fa aleo aloha ary haterina ny mpandeha dia mankany izy. Tampoka teo anefa rehefa tonga teny Ankasina dia niditra tamin’ny varavarana andaniny roa ireto mpitandro ny filaminana izay efa nanaraka avy ao aoriana, ka ny iray avy hatrany dia nidaroka no nanisy ilay rojovy, ary ilay faharoa, araka ny filazan’ny mpanampin’ilay mpamily, nanambana basy. Nampidinina ny olona ambiny sisa tao anaty fiara ary nasaina nandeha ho eny Tsaralalàna ny tenany. Raha vao nandingana folo metatra teo anefa dia efa saika nandona olona sahady, ny tanana rahateo mifatotra “chaine”. Rehefa tonga teny amin’ny sampanan-dalana misy irony jiro mena irony àry dia nidofotra tamin’ny fiara Mazda 4x4 ilay taxi-be, nivoaka avy hatrany indray koa ny mpitondra an’ity farany, tonga dia nitifitra totohondry ny ankilany ihany koa. Nitangorona ny olona ary niteny an’ireo pôlisy fa lalàna avy aiza indray ity mamatotra olona sady mitondra fiara ity. Be noho vitsy moa ireto manam-pahefana ka nanaiky ihany nanala ilay “menottes” teny amin’ny tanan’ilay saofera.
Araka ny nambaran’ity saofera ihany dia raharaha izay nitoriana vehivavy iray azy ity afera hiakarany eny amin’ny SUT
( Sureté Urbaine Tananarive ) ity. Mpiara-miasa amina hôtely lehibe iray any an-dafy mantsy izy io ka nanatona azy ity vehivavy ity mba hamandrika efitrano any. Tsy nahatanteraka ny fifanarahana anefa ity tovovavy ka nitory teny amin’ny manampahefana.

Saonjo iray lohasaha, hoy ny fitenenana, ka tsy ilaozan’izay mamarara, mba tsy hilazana fa ny pôlisy rehetra no manao toy izany, fa misy tokoa dia diso tafahoatra ny fanamparam-pahefana sy fanaovana tsinontsinona ataon’ny sasany amin’izy ireo. Izany indray ary ve ny lalàna vaovao, hoy ny vazivazin’ireo olona izay nahita ny fitrangan-javatra teny an-toerana.

No comments: