Saturday, February 11, 2006

Affaire OSTIE,le soustraitant est payé à coup de poing




Ny orinasa mpanao trano no miady dia ny fanamboarana ny Ostie no mijanona.


Efa hifarana ny asa vao mitranga ny olana. Mitentina 2 miliara 120 tapitrisa ariary ny vola hanamboarana ny toeram-pitsaboana ho an'ny Ostie (Organisation sanitaire tananarivienne inter-entreprise) vaovao etsy Mahalavolona izay nanomboka ny volana novambra 2005.
Tsy fifanarahana teo amin'ny orinasa mpiantoka lehibe (Entreprise adjudicataire) izay nahazo ny tolo-bidy sy ny orinasa mpiantoka ampiasaina amin'ny asa madinika (Entreprise sous-traitant) no niavin'ny olana. Tonga teny amin'ny fitsarana ilay mpitantana orinasa madinika nitory ilay lazaina ho tompon'ny orinasa mpiantoka lehibe. “Nitory an'ity manamboninahitra mpitantana ilay orinasa mampiasa anay aho satria nampiharany herisetra, hoy ilay tompona orinasa madinika. Betsaka loatra ny zavatra tsy nifanarahana nampanaoviny anay ka nandà aho. Novonoiny aho ny niafarany”. Nampiseho ny sariny izay niharan'ny herisetra tamin'ny mpanao gazety moa ity tompona orinasa madinika.
Nanambara ihany moa ilay tompon'ny orinasa madinika fa “manamboninahitra roa ireo mpitantana ity orinasa mampiasa azy ireo ity ka ny lefitry ny tale mpitantana no nikasi-tànana azy teo anatrehan'ny mpiasany miisa dimy. Nisy mihitsy aza taratasy momba ny taniko manokana izay notazonin'izy ireo natao antoka tamin'ny asa izay tsy vitako. Vita anefa ny asa, tsy nomena ny taratasin'ny taniko sy ireo fitaovanay nampiasaina”.
“Tsy marina izany...”, hoy ireo manamboninahitra.
Manoloana ny zava-nisy sy ny olana teo amin'ny roa tonta dia noezahina noresahina ireo manamboninahitra roa voatonina tamin'ity raharaha ity sy ny tale jeneralin'ny Ostie, Renald Andriamihajamanana.
Ho an'i ny tale jeneralin'ny Ostie dia “tsy miditra velively amin'ny ady anatin'ireo orinasa roa ireo izahay. Ny anay dia ny asa vita ihany”. Raha ny fantatra mantsy dia efa nandeha tolo-bidy ara-dalàna izay neken'ny “conseil de gestion” ity fanamboarana trano fitsaboana eny Mahalavolona ity. “Misy araka izany, hoy ny tale jeneralin'ny Ostie, ny olona mpanaramaso sy tompon'andraikitra mivantana”. Nanambara moa ity tompon'andraikitra voalohany ao amin'ny Ostie ity fa “fotoana vitsy sisa dia ho raisina sy aseho ara-teknika ity trano fitsaboana vaovao etsy Mahalavolona ity”.

No comments: