Thursday, February 16, 2006

Lasa Lamaody indray ny fanampoisinina amin'ny NUVAN

Maty tsy tra-drano, ny alarobia teo, ilay zazakely, zaza vao valo volana, nampisotroina poizina. Ireny fanafody famonoana bibikely, “nuvan”, ireny no nampisotroin'ny mpitaiza azy, araka ny vaovao azo teo anivon'ny polisim-pirenena. Tany amin'ny toeram-pitsaboana nitondrana azy, ny tobim-pahasalamana tao Ambatobevanja Antananarivo, vao fantatra ny poizina nomena an'ilay zaza satria tonga dia nibaradaka teo anatrehan'ireo mpitsabo ilay mpiasa. Avy hatrany dia nentiny namonjy toeram-pitsaboana haingana mantsy ilay zaza rehefa hitany fa hafahafa. Tsy nisy fialana nenina natao tamin'ilay zazakely akory anefa na dia tonga tao amin'ny hopitaly aza izy fa minitra vitsy monja dia afaka ny ainy.
Lasa nandositra moa ilay mpiasa nahavanon-doza nony nahita ny fahatongavan'ny rain'ilay zaza.

Mpiasa roa.
Mpiasa an-trano roa vavy izy no voalaza fa indray miasa ao amin'ity mpitandro ny filaminana ity. Samy manana ny andraikiny, araka izany izy roa, ny iray mitaiza zaza ary ny faharoa manao ny raharaha rehetra.
Tamin'io fotoana io anefa dia voalaza fa naka ny sakafony ilay mpitaiza ny zaza ka nindraminy ilay namany hitaiza azy vetivety. Izay fifandraisan'izy roa ao an-trano aloha tsy fantatra mazava, fa tamin'izay fotoana izay no nanararaotan'ilay mpiasa nanomezana poizina an'ilay zazakely.
Zaza salama tsara, tsy farofy no notezaina sy nilaozan-dray aman-dreniny niasa tamin'io.
Niverina avy naka ny variny ilay mpitaiza zaza no zendana nahita an'ilay zaza toy ny tsakoahana sy nihinjitsinjitra. Nanontany an'ilay namany izy ny amin'izay zavatra nomeny azy, fa namaly io hoe nampisotroina rano.
Tsy nahavoaka feo firy intsony ilay zaza ary nihanalemy. Izay izy roa vavy vao nikoropaka nitondra azy tany amin'ny toeram-pitsaboana. Tany amin'ny mpitsabo, araka ny voalaza tery aloha, ilay mpiasa vao nibaboka ny poizina nampisotroiny azy.

Tovolahy iray.
Ankoatra an'ity zazakely nampisotroina poizina ity dia nisy tranga iray hafa mitovy amin'izay ihany koa niseho teny amin'iny faritr'Amboditsiry iny, ny herinandro teo. Ankizilahy kely vao 14 taona kosa indray no niharan'izany. Saingy avotra soa aman-tsara izy rehefa nahazo fitsaboana.
Zazalahikely roa toa azy ihany no voalazan'ireo namonjy fa nampihinana poizina an'ilay ankizilahy. Nifanena teny an-dalana ireo ary nangatahin'izy roalahy vola roanjato ariary ity voalohany. Nilaza ny tsy fananany vola anefa izy ary tezitra tamin'izay ireto roalahy, ka nanaovany herisetra ilay zanak'olona. Ny iray nibeda azy ary ny faharoa nandraraka an'ilay poizina “nuvan” tao am-bavany.
Toy ny tsy teo izy roalahy rehefa avy nanao ny nataony.
Noheverin'ireo nahita ho ankizy nilalao ny fihetsiky ry zalahy ka tsy niraika ny olona. Kanjo rehefa nandrora sy niantso vonjy ilay ankizilahy sy nitantara ny hetraketraka naton'ireo nandositra, vao nikoropaka ny olona namonjy.

No comments: