Tuesday, February 21, 2006

Afaka madio i Ferrid


I Willy Razafinjatovo ihany no niaro ny zanany, Ferrid.

Omaly no niakatra Fitsarana tetsy Anosy ilay raharaha fanodinkodinana zaza tsy ampy taona (17 taona) niampangana an'i Razafinjatovo Ferrid, zanak'i Oh la la. Afaka noho ny fisalasalana izy tamin'izany. Raha zohiana ny fizotry ny Fitsarana dia anton-javatra maro no mety ho nahatonga ny fitsarana nandray an'izay didy izay. Saingy ny tena nisongadina tamin'ireny dia ny tsy maha-ara-dalàna ny olona nametraka fitoriana, ny nenitoan'ilay zazavavy kely izay sady tsy olona ipetrahany no tsy monina eto Antananarivo fa mandalo fotsiny (satria monina any Fianarantsoa izy) ary tsy manana taratasy fahazoan-dalana avy amin'ny renin'ity zazavavy na ny renibeny ipetrahany eny amin'ny 67 ha akory.
Eo ihany koa ny tsy fahampian'ny porofo mazava entina hilazana fa tratra am-bodiomby tao an-tranon'ilay zazavavy antsoina hoe Charlotte Ravel, teny amin'ny 67 ha i Ferrid. Nefa voalazan'ny mpitory fa efa nandritra ny alina, ny 9 hifoha 10 janoary, i Feerid no tao an-tranon'i Charlotte ka hatramin'ny 10 ora sy sasany maraina, ora voalaza fa nitsoahany tao amin'ilay trano.
Mbola ao ihany koa ny tsy fitovian'ny valintenin'ireo vavolombelona izay tsy iza fa mpiasa tao amin'ity zazavavy ity avokoa.

Noterena.
Nahatsikaiky ihany raha ny fizotry ny fandaharana teny anivon'ny Fitsarana satria ankoatra an'i Ferrid izay voampanga amin'ny raharaha, izay nandà hatrany ny fiampangana azy dia nandà ny votoatin'ny fitoriana an'i Ferrid toy izany ihany koa ilay zazavavy kely. Nipetraka teo amin'ny toeran'ny vavolombelona mantsy izy tamin'io fitsarana io. Notsoriny teo anatrehan'ny Fitsarana fa noterena izy tany amin'ny polisy hanaiky ny fitoriana an'i Ferrid. Tamin'ny alalan'ny mpamily azy no nentina nanerena azy hanao izany. Nambarany ihany koa fa tsy misy fisakaizana izany eo aminy sy ity tovolahy ity fa fifankatiavana amin'ny maha mpinamana fotsiny ary rehefa misy fotoan-dehibe vao mihaona toy ny fanamarihana ny fitsingerenan'ny taona nahaterahana sy ny sisa.
“Any am-pianarana aho, hoy izy, rehefa amin'ny andro fianarana ary ao an-trano manao asa enti-mody rehefa tsy mianatra”.
Nanaitra ny rehetra nanatrika teo amin'ny fitsarana ihany koa, eny fa na dia ny nenitoany aza, ny filazan'ity zazavavy kely ity fa ny dadatoany, ny vadin'io nenitoany io, no nanao firaisana ara-nofo taminy izay tsy tokony ho nataony velively

No comments: