Friday, October 05, 2007

Resaka polisy indray

Niharan-doza ny alin’ny alakamisy teo teny amin’ny « route Digue” Ivato ny mpanazatra nasionalin’ny basikety zazavavy malagasy. Voadona mafy izy tamin’izany ary tapaka ny tongony roa. Raha araka ny vaovao voaray, dia fiara nentina polisy ilay nandona azy, ary lasa nandositra ilay fiara avy eo.

Maty ny fiara nentiny tamin’io fotoana nitrangan’ny loza io. Nivoaka izy nanosika ilay fiarany. Nirimorimo avy any ilay fiarana polisy ary avy dia nifaoka azy. Tsy mba nijanona ireo nandona fa lasa nandositra, asa na noho ny tahotra na hoe polisy ka na mandona olona aza dia ho afaka madiodio. Ilay naratra kosa dia efa nalefa notsaboina eny amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona.

Tsy nijanona raha avy nandona ilay mpanazatra nasionaly ilay fiara nentin’ilay polisy. Ny fokonolona teo amin’ny manodidina nahita ny nitrangan’ny loza no nitondra ilay maratra teny amin’ny hopitaly. Omaly maraina dia notantarain’ny olona tao amin’ny fandaharana iray tamin’ny haino aman-jery teto an-drenivohitra ny zava-niseho teny amin’ny lalan’Ivato ny alin’ny alakamisy. Ka asa na noenjehin’ny eritreriny ilay mpitandro filaminana nitondra ilay fiara fa dia tonga namangy ilay olona nodoniny tany amin’ny hopitaly. Na izany na tsy izany efa nandositra izy tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza ka tsy maintsy ho enjehin’ny lalàna, raha tsy hoe angaha hifanaraka ny roa tonta.

Efa nametraka ny tomponandraikitra iray avy ao amin’ny polisim-pirenena, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety fa:” rehefa manao zavatra tsy mety, na polisy izy na olon-tsotra di atsy maintsy enjehin’ny lalàna”. Ho hita eo izany izay ho tohin’ny tantara, na hitory ilay niharam-boina na hanao fifanarahana amin’ilay nandona azy.

No comments: