Mankaiza avokoa ny omby an’arivony angalarin-dry Remenabila ireo ?
–Misy ampahany aondrana any ivelany ; fa misy kosa ny ampahany, izay
betsaka ihany koa, hamatsiana ny tsena anatiny, indrindra eto
Antananarivo. Ankoatra izay dia ambaran’ny fikambanana Arofototse fa
fanakorontanana efa voarindra ny zavamisy any atsimo ankehitriny ary
politika avo lenta. Toa izao ny fitantaran’Atoa Botomahefa, miaramila
efa misotro ronono, avy any amin’iny faritra iny, ary mpikambana ao
amin’ny Arofototse, izay nalefan’io fikambanana io hanao fanadihadiana
nandritra ny 1 volana tany an-toerana:
Mpanome baiko fotsiny Remenabila
Tena
misy tokoa i Remenabila ary izy iny sary mivoaka tamin’ny Gazety
rehetra iny. Anarana ody entin’ireo tafika miaraka aminy ao anatin’ilay
fikambanana malaso mpangalatra omby io ny Remenabila. Ary io Rangahy
Remenabila io dia nambarany fa tsy ho azo mandrakizay. Efa mahatratra
67 taona izy izao, ka tsy mitari-tafika malaso intsony fa manome baiko
fotsiny. Olona fetsy i Remenabila, hoy izy, satria manararaotra ny
fahalemen’ireo mpitandro filaminana manao « routine » fotsiny ny asany
fa tsy dia herin’ny fanafody loatra. Patiraon’omby goavana no mampiasa
azy, ka 1.500.000fmg isaky ny omby iray no hividianan’ireo aminy ny omby
halatra, raha ny voalazany. Amidin’ny patiraon’omby manodidina ny
3.000.000 FMG ny omby iray avy eo ka ny elanelany ankoatra ny alain’ilay
patrion’omby dia tsinjaraina amin’ireo ambaratongam-pahefana lalovan’ny
omby, izay manaiky hiray tsikombakomba aminy: mpitandro filaminana,
mpitsara, tomponandraiki-panjakana (izay manohitra kosa mety ho faty).
Manaporofo izany ny fahitana ireo kamiao mitondra omby tsy misy
manafika ; sy ny omby misy an’arivony entina miakatra nefa efa-dahy raha
misy no mandroaka azy, tsy misy mangalatra. Nefa Taxibrousse mitondra
mpandeha misy manafika.
Manao andiany 800 isaky ny mandeha
Nambarany
fa tsara omana ny tetika rehetra ampiasain-dry Remenabila isaky ny
manafika. Manao andiany hatrany amin’ny 800 izy ireo isaky ny mandeha ;
mitondra basy mahery vaika sy ody (voalaza fa tandrok’omby kely no
hitoerany). Ny ankamaroan’ireo vatan-dehilahy miaraka amin-dry
Remenabila ireo dia voalazany fa tsy sitrapony no mandeha manaraka azy.
Baboiny amin’ny faritra lalovany ireo vatan-dehilahy manomboka eo
amin’ny 15 taona eo ho eo ka tereny hanaraka azy. Rehefa tsy mety
mandeha dia vonoiny, ary raha mamaly, dia ampizogainy entana marobe
mandeha an-tongotra. Tamin’ny fianakavian’i Botomahefa, dia
vatan-dehilahy roa no lasan-dry Remenabila an-keriny ary efa niverina
satria mody narary teny an-dalana, dia tsy nisy nilany azy intsony ka
afaka namonjy fodiana. Raha ny fitantaran’ireo dia tsy mitifitra avy
hatrany ny malaso rehefa manafika. Matetika ireo tompon’omby very ka
entim-po noho ny fananany lasany no mamoy ny ainy ; ary ireo zandary
maty dia matetika ireo mamita iraka ka entin-kafanam-po amin’ny asa. Ny
zandary amin’iny faritra iny dia ambarany fa izay efa mahazo vola dia
mody mitifitra nefa tsy mahavoa. Tamin’ny 30 septambra tao Tsivory izao,
dia nolazain’Atoa Botomahefa fa natrehiny ary hitany fa tsy mikendry
ny malaso mihitsy ny balan’ireo zandary. Ny malaso ihany koa tsy
mitifitra fa misy ny fifampiresahana eo amin’ny roa tonta rehefa
mielanelana 20 metatra eo ho eo ny mpanenjika sy ny malaso. Miteny ny
malaso hoe mandehana ianareo miverina fa izahay tsy te hamono anareo.
Dia misy ny omby, izay marefo (vavy bevohoka, madinika, ;..) averin- dry
zareo amin’ny fokonolona. Dia mitarika mitsoaka ny zandary (izay nahazo
vola) ; fa ireo tsy mahafantatra mifanandrina aminy dia vonoiny ;
torak’izany koa ny tompon’omby marary amin’ny fananany lasa. Ireny ilay
lazaina hoe omby naverina amin’ny tompony sy zandary na fokonolona maty
voalaza ireny raha ny fanazavany.
Zavamisy ankehitriny
Misy
ny fandoroana trano sy famonoana ataon’ny mpitandro filaminana
ankehitriny any atsimo any. Nambaran’Atoa Botomahefa fa ireo trano
doran’izy ireo dia trano tsy voasoratra ao anatin’ny kaominina fa any
anaty alabe fandalovan’ny dahalo any. Ny basy sy ny bala ampiasain’ireo
malaso ireo ihany koa dia tsy ao anatin’ireo ampiasain’ny mpitandro
filaminana eto amintsika, raha ny fanadihadiana nataony. Nambaran’Atoa
Monja, filohan’ny Arofototse, anefa fa misy tsy fanajana ny
zon’olombelona ihany ataon’ireo mpampandry tany ireo satria maro ny zaza
amam-behivavy sy ny antitra mitsoaka any anaty ala sy any
an-tendrombohitra noho ny fampihorohoroana azy ireo. Marobe ny tsy
manan-kialofana, tsy mihinan-kanina sy tsy misotro rano ary maty noho ny
aretina sy ny hanohanana amin’ireo. Ny ankamaroan’ny vatan-dehilahy
kosa, tondro molotra dia tifirin’ireo mpampandry tany tsy misy
fanadihadiana akory, ka maro no mamoy ny ainy. Ary ireo trano dorana dia
tsy misy fanadihadiana firy atao aminy fa dorana avy hatrany, trano
fonenana, ary tifirina ny vatan-dehilahy ao an-tanana ka efa maro no
mamoy ny ainy. Ilay vehivavy lazaina fa Tokanono iny ihany koa dia
ambaran’izy ireo fa mpitsabo nentim-paharazana any an-tanàna any, satria
na mpitsabo mpanampy aza tsy misy any amin’izy ireo. Araka izany dia
fanakorontanana efa voarindra mihitsy ny zavamisy any atsimo ankehitriny
ary politika avo lenta raha ny nambaran’izy ireo. Ny hany vahaolana
omen’ny Arofototse dia ny fanafoanana ny varotra omby eran’ny Nosy sy ny
fanondranana. Ho an’Atoa Monja Manitsindava dia ny famerenana ny
dinan’ny fokonolona, satria ny lalàna mampirongatra ny halatra omby ary
vao mainka mampangalatra ny Fitsarana, ny mpitandro filaminana sy ny
Ben’ny tanàna sy ny filohan’ny fokontany.
No comments:
Post a Comment