Rebondissement de l'affaire Michaelle. Quatre suspects dans le meurtre de la jeune Michaëlla et de sa mère Maryse Ratsimiah ont été arrêtés depuis vendredi dernier. Le gardien a avoué son crime. Il a aussi dénoncé le chauffeur comme étant son complice dans le meurtre de Michaelle et de sa mère.
Le gardien et le chauffeur ont reçu chacun 600 000 ariary pour accomplir la mission. L'individu qui a utilisé le portable de Maryse Ratsimiah a été le premier à être appréhendé. Il constituait un suspect pour les enquêteurs.
Les explications des accusés confirment que le corps de Michaelle a été scié et jeté dans les égouts d'Antsahabe, près du magasin Supermarket, tandis que celui de Maryse Ratsimiah a été jeté dans des égouts près de sa maison.
Les accusés eux-mêmes révèlent avoir reçu des doléances des riverains concernant l'émanation de l'odeur nauséabonde. Le gardien prétextait que l'odeur émanait du cadavre du chien de Michaelle, ce qui n'a pas persuadé les voisins.
Jusqu'ici, les accusés n'ont pas encore dévoilé le cerveau du meurtre qui reste dans le collimateur de la police.
En mars 2005, Michaelle a été tuée tragiquement. Le test d'ADN à Strasbourg a confirmé son identité.
L'arrestation de ces quatre personnes accélèrera le traitement du dossier et mettra la lumière dans cette affaire.
"C'est impensable de croire que c'est l'autoritarisme et la nervosité de Maryse Ratsimiah qui ont incité le conducteur à commanditer son meurtre et celui de sa fille Michaelle", estime le commissaire Rakotondravao Albert, directeur de la police judiciaire." Avec un salaire mensuel de Ar 210 000, il est peu probable que le chauffeur, présumé commanditaire de l'acte, ait pu fournir la somme de Ar 600 000 à chacun de ses complices ".
Raharaha Mickaelle, feo dakilosy amin'ny teny malagasy - “Nodidiana tamin'ny tsofa izy mianaka”, hoy ry zalahy
Ny fanadihadian'ny mpitandro ny filaminana aloha izao no naseho ny mpanao gazety. Voalaza tamin'ny fanazavan'ny mpitandro ny filaminana tao amin'ny Scac fa “lehilahy nampiasa ny laharana sy nitazona ny findain'i Maryse Ratsimiah renin'i Michaelle no nanarahana sy nanaovana ny famotorana. Rehefa nohadihadiana ity lehilahy ity dia nanambara fa tany amin'ny mpiambina ny tanànan-dr'i Michaelle no nahazoany ity finday ity sy nividianany ny fakan-tsarimihetsika”.
Teo dia olona roa no voasambotra. Noho ny fihitaran'ny fanadihadiana dia nitombo ireo olona voarohirohy. “Nanonona olona iray hafa izay niara-nanatanteraka ny famonoana azy mianaka ilay mpiambina, araka ny tatitry ny polisy ihany, ka nosamborina ity lehilahy iray izay voalaza fa mpanadio ny ra tamin'ny fanapatapahana ny razana”.
Nilaza izy roalahy mpiambina sy ny namany fa “ny 26 marsa 2005 no niara-namonoanay an'i Michaelle sy ny reniny Maryse Ratsimiah. Tsindrona antsy no nanaovanay izany, ka i Michaëlla no maty voalohany tany ambony rihana. Rehefa naheno ny kikiakany ny reniny dia niakatra ka novonoinay ihany koa. Telo andro taty aoriana dia notsofaina tamin'ny tsofa elektrika ny fatin' izy ireo ary natao tany anaty gony plastika. I Michaelle dia narianay tao anaty tatatra teny Antsahabe. Ny reniny Maryse Ratsimiah kosa dia tao an-tanànany ihany no nariana. Mba tsy hisian'ny ahiahy tamin'ny fofona dia novonoina koa ny alika tao an-tanàna ka raha nisy nanontany ny resaka momba ny fofona niely dia nolazaina fa fofon'ilay alika maty”.
“Rehefa nohalalinin'ny mpanao famotorana ny raharaha, hoy ny polisy, dia nilaza izy roalahy voarohirohy ireto fa ny mpamilin'i Michaelle sy ny reniny nantsoina hoe : Ratsimbazafy no nanakarama azy roalahy Ar 600 000 tsirairay tamin'ny fanatanterahana izao vono olona zao”. Efa voasambotra koa moa ity mpamily ity ka naseho ny mpanao gazety omaly tolakandro.
Raha ny tena anaran'izy mianaka dia “Danielle Maryse Jean Louis Ratsimiah no anaran-dreniny ary Rakoto Andriantsilavo Mickaelle Domoina” no anaran'ny zanany.
No comments:
Post a Comment