Wednesday, August 29, 2012

Fanondranana ‘Dinozoro’ an-tsokosoko ?

Malagasy 4 sy Amerikana 4 efa natao fanadihadiana (Giazan’ny BAP etsy Anosy ireo taolambe 5,3 taonina) 

 Image
Efa lasa tamin’ny 2010  ny vatam-pe sy ny rambon’ilay dinozoro; fa ny vatabeny io tratra saika halefa io. Mandeha ny resaka fa efa 3 izao ny dinozorontsika nisy nanondrana Tsy  mijanona amin’ny resaka “bois de rose” sy taolam-paty intsony izao ny fanondranana an-tsokosoko any ivelany  fa tafiditra hatramin’ny fanondranana ny taolana dinôzoro ihany koa hoe. Tany Behamotsy, fokontany Ambohipoly, faritr’i Menabe, no voalaza fa nahatrarana azy io ny 19 aogositra teo ary nentina tamin’ny kamiao fa toa hoe ndeha haondrana any Etazonia, araka ny fanadihadiana nataon’ny Brigady miady amin’ny piraty(BAT). Ny zandary nanao fisavana tany an-toerana no nampandre azy ireo; raha nahita ireo entana nampiahiahy azy. Tonga tany an-toerana ny tomponandraikitra naka azy ireo ka omaly no tonga teto an-drenivohitra ny vataben’ilay dinozoro (tyrannosaure sauropode), izay milanja  5,300 taonina. Giazan’ny Brigady miady amin’ny piraty etsy Anosy amin’izao fotoana ireo taolana dinozoro ireo. Nambaran’ny tomponandraikitra fa efa manomboka ny fanadihadiana mikasika azy io, ka olona 8 (teratany malagasy efatra sy amerikana efatra) izao no efa nofotorana. Isan’izany ny filohan’ny departemantan’ny Paleontolojia, ao amin’ny fakoloten’ny siansa, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Nambaran’ity farany fa manana taratasy ara-dalàna izy ireo, ary nokasaina hoentina aty an-drenivohitra ireo taolana ireo.
Manana taratasy
Taratasy  maro no nitondrana io biby goavambe niaina tany amin’ny 150 ka hatramin’ny 200 tapitrisa taona tany ho any io. Ao anatin’izany ny fifanaraham-piaraha-miasa nanomboka tamin’ny 1993 teo amin’ny Oniversite Stony Brook, any Denver Amerika ankilany; ary etsy andaniny ny Oniversiten’Antananarivo, departemanta Paleontolojia sy ny ministeran’ny Mine, ary fikambanana tsy miankina iray.  Voalazan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Brigady fa araka ny lalàna eto amintsika dia “fakàna ampahany” sy “santionany” ihany no azo atao sy aondrana any ivelany amin’ny alalan’ny fifanarahan’ny Oniversite toy izao fa tsy vatabeny toa izao. Ny fossile na biby efa nivadika ho vato toa izao dia isan’ny “vakoka”sy harem-pirenena, ka ny ministeran’ny kolontsaina no miandraikitra azy. Nambaran’i Kly Rabemananjara, filohan’ny departemanta ao amin’ny Brigady miady amin’ny piraty, araka izany,  fa fampiharana ny didim-pitondrana laharana 82-029 sy ny didy fampiharana 83-116 tamin’ny 31 mars1983 ary ny “code minier 89-191” no nahatonga azy ireo nandray andraikitra tamin’ity endrika fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena ity. 

No comments: