Tuesday, January 30, 2007

Malagasy - Vorona ô


Malagasy - Vorona ô
Vidéo envoyée par razfin
Vorona o! mba mivilia hitondra bitsika any
Vorona o! harivariva an-tanin'olona aho
Ampitandrano(x2) re! no misy anay
Jereo fa vitsika momba kitay
K'ity manafatra anao

Vorona o! mba hivilio ilay akaniko any
Vorona o! hatopatopan-dranomasina izy izay
Jereo fa nosy misaritsarin-tongotra hankavia
Tsy takatr'antso ka e! mba vimbino
Ity teny fohy hoe tsy adino

Tsy ditrany hono hoe no nandaozany ny akany maminy iny
Tsy antery anefa fa nafaitra loatra ilay fitenin'ny havany iny
Tsy tantiny tokoa ka notinafiny famoizana ny ela
Tsy vato anie ny fo f'injao mitepo ihany vonona hifamela

Luc & Mahery ( BARIJAONA )

No comments: