Wednesday, January 11, 2006

Scandale à Ivato (suite)

Hiakatra fitsarana anio etsy amin'ny lapan'ny fitsarana Anosy ny raharahan'ilay tovovavy iray sy ireo mpivady niaraka tamina lehilahy iray nifampitolona teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, teo amin'ny fanaovana “enregistrement”-ny entana, ny asabotsy teo. Ady saritaka mihitsy mantsy no nitranga teo amin'ny roa tonta ary resaka fisongonana amin'ny toerana no antony.
Ilay tovovavy moa dia nilaza fa efa nanakarama olona nilahatra dieny mialoha teny an-toerana, niaraka tamin'ny entana, ary rehefa tonga izy, tonga dia namantana teo amin'ilay olona nampiandrasany entana. Dia izay no fototry ny ady, araka ny efa voalaza tery aloha, satria noheverin'ireo olona sasany nilahatra teo fa nisongona izy ary dia raikitra teo ny ady. Ilay tovovavy andaniny ary olo-mivady sy lehilahy iray ankilany. Dia samy nifandramatra teo. Samy nilaza ho naratra ary samy nametraka ny fitarainany tany amin'ny polisy tao amin'ny seranana.
Ny talata teo no natolotra ny Fampanoavana ny raharaha ary dia izao hiakatra fitsarana izao sahady.
Samy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa moa ny roa tonta.

No comments: