Tuesday, January 10, 2006

Faits Divers : l'homme au sang en mercure

Hatairana niharo hatezerana ny an’ireto olona vitsivitsy sendra tovolahy fatsora ny Sabotsy maraina tokony ho tamin’ny 09 ora sy sasany lasa teo. Tao Ampefiloha, tsy lavitra loatra ny vavahadin’ ny Lycée, no nitranga ny toe-javatra.

Ramatoa iray namoaka finday avy any anaty poketrany no tratry ny sinto-mahery raha iny izy handeha hiantso iny indrindra. Tovolahy tokony ho 35 taona no nanao izany. Tsy be vahanaina ranamana fa manifinify ihany.

Niantsoantso avy hatrany ny tompon’ny finday voasin-tona : "Iny sakano fa mpangalatra !" Voabahana avy hatrany ny làlana nizoran-dranamana raha iny izy nikasa ny hitsoaka iny.

Natsipiny avy hatrany ilay finday teny an-tànany. Nihevitra angamba izy fa ho afa-maina raha nanao izany fihetsika izany. Kinanjo inona no nitranga ! Vao mainka nampitombo ny hafanam-pon’ny mpisakana sy ny mpanenjika izany.

Tsy tratra fa niantefa avy ha-trany tao an-damosiny ny daka mafy tsara petraka. Hay efa niomana tamin’ny paik’adiny manokana ilay mpanao sinto-mahery. Mody nianjera sy niankarapoka mafy tamin’ny tany izy.

Lavo niankohoka teo izy ary tsy nihetsika. Tena voa mafy mihitsy ny fahitana azy. Tsy tapitapitr’izay mantsy dia nikoriana ny rà avy ao am-bavany. "Aoka izay ! Ajanony ny fikasihan-tanàna azy fa voa mafy io tovolahy io !", hoy ny antsoantso. Dia samy nangahiahy teo ny rehetra.

Nilomay haingana

Tampotampoka teo anefa, tsy tratra fa nitsangana tampoka teo amin’ny nilavoany ny tovolahy ary nilomay nandositra haingana araka izay azony natao. Hay mody maty ilaikary. Nisotro merkiora izy mialoha ny nanaovany ny asa ratsiny.

Notazoniny tao am-bavany izany ary iny no naloany re-hefa voan’ny daroka voalohany izy. Hita avy hatrany mantsy fa tsy rà velively ilay nitobaka teo amin’ny toe-rana nifanitsy tamin’ny vavany niankohoka tamin’ ny tany. Dia velona indray ny fifanenjehana faharoa.

Nandositra niazo iny làlana mandalo eo anoloan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono iny izy. Izany hoe nikasa hivoaka teo avaratry ny Radio nasiônaly ao Anosy. Voasakan’ireny mpikarama manasa fiaran’olona ireny izy.

Teo vao nahazo ny tena daroka tena mahamay ny lehilahy mialoha ny nitondran’ ny olona azy tao amin’ny paositry ny pôlisy, izay teo akaiky teo ihany. Nieritreritra ny hamitaka tamin’ny kely foana ity tovolahy ity kinanjo tratra ny hevi-petsiny.

Mihevitra ny tenany ho milalao sarimihetsika angamba izy. Aoka koa anefa mba samy ho mailo ny tsirairay fa tsy sarimihetsika ny ataon’ny tontakely mpanao sinto-mahery fa tena izy mihitsy.

No comments: